4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Solafaka - Benja ANDRIANTAHIANA

Voafingana, ts’isy nampiarina.

Solafaka teo amin’ny fiainana.

Nenjehina dia nesoina,

Avy eo naongana,

Tsy ho zana-piangonana

Hum, hum….

Rehefa potraka



Lavo i Kala, nilaozan-tsakaiza.

Nazera koa ireo olo-nitaiza.

Dia nasintaka, dia nahilika,

Natositosika tsy ho eo ankaikinao Ry RAY.

Hum, hum….

Eny tsy ho mpandray.



Izay "tsy diso" hitora-bato ahy.

Mandatsa ny very ara-panahy.

Miteraka alahelo, hakiviana,

Nahatsiaro tena ho irery sy vasoka,

Nalaina baraka tsy mendrika ho havana.

Mandositra masoandro,

Menatra olona.

Koa ho aiza moa,

Oh, oh, ….

No tsy hamoy fo.



Lavo i Kala, nilaozan-tsakaiza.

Nazera koa ireo olo-nitaiza.

Dia nasintaka, dia nahilika,

Natositosika tsy ho eo ankaikinao Ry RAY.

Hum, hum….

Eny tsy ho mpandray.



Ireo tsy diso....




Partager solafaka

Commenter solafaka

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Benja ANDRIANTAHIANA